JESOSY

NY FIAINANY, NY FAMPIANARANY

 

Boky 3 FANOMPOANA AMPAHIBEMASO NATAON'I JESOSY KRISTY

 

Ny Kristy Jesosy dia tonga teo anivon'ny Israely vahoakany, mba hametraka ny fanjakany, haneho an'Andriamanitra, "hitory fahazavana amin’ny olona Israely sy amin’ny jentilisa" (Asan'ny Apostoly 26. 23). Mba hanatanterahany izany, dia nanao asa fanompoana mifototra amin'ny fahasoavana, fahamarinana ary fitiavana Izy, "lehilahy nasehon’Andriamanitra ... tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo" (Asan'ny Apostoly 2. 22).

 

Ny fampianaran'ny Kristy Jesosy dia nanakiana ny fomba nampiharan'ny Jiosy (indrindra ireo mpitarika ara-pivavahana) ny fombafomba sy fady tamin'ny lalànan'i Mosesy. Nanjary nihatsaravelatsihy izy ireo, satria ny zavatra ivelany no nomeny lanja, fa tsy ny toe-po. Ny tanjon'ny asa fanompoan'i Jesosy dia ny hanekena Azy ho Ilay Kristy, ho Ilay Zanak'Andriamanitra nambara tao amin'ny Testamenta Taloha. 

 

Ny Kristy (na ny Mesia) dia tokony ho mpanjakan'ny Israely, nefa tsy te hampiasa hery toy ny mpitondra jadona Izy, mba hanekena Azy ; ny notadiaviny dia ny handraisan'ny vahoakany Azy an-tsitrapo, araka ny Tenin'Andriamanitra voasoratra (dia ny Testamenta Taloha, tamin'izany fotoana izany). Amin'ny maha Zanak'Andriamanitra Azy, dia Andriamanitra ihany koa Izy, "naseho teo amin’ny nofo" (1 Timoty 3. 16), saingy tsy tiany nodradradradraina izany, satria ny fo tsirairay no tiany ho voakasika. Tokony ho namonjy ny mpanota ihany koa Izy, satria mpanota avokoa ny olona rehetra, toy ny amin'izao fotoana izao. 

 

Fa Jesosy, raha "nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly" (Asan'ny Apostoly 10. 38), dia nifanehatra ihany koa tamina fanoherana, fankahalana ary fifandirana, tamin'ny manampahefana jiosy indrindra indrindra, nefa koa tamin'ny ampahan'ny vahoaka jiosy izay nihevitra Azy ho olona tsotra fotsiny, dia ilay zanak'i Josefa. Koa nandritra ny fiainany teto an-tany izany dia tsy nisy nahatakatra ny Kristy Jesosy, ary ny lalany dia feno fandrika sy fijaliana, araka ny efa nambara mialoha tao amin'ny Teny, tamin'ny kisarisary hoe : "Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy (ny Kristy)" (Salamo126. 6)

 

 

 

TANJON'NY ASA FANOMPOAN'NY KRISTY :

HAMPISEHO AMIN'NY JIOSY, AMIN'NY FIAINANY SY NY TENINY, FA IZY, JESOSY, NO ILAY KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA ; HAMONJY NY MPANOTA ; HAMETRAKA NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA ETO AN-TANY

 

n  Nony nampidirina am-ponja i Jaona Mpanao batisa, vao tena nanomboka ny asa fanompoan'i Jesosy.

 

Marka 1. 14-15

14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra

15 ka nanao hoe : Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.

 

n  Tany Kana any Galilia i Jesosy, ary nanasitrana, na dia tsy nanatri-maso aza, ny zanakalahin'ny tandapa iray, zanaka efa teo am-bavahoanan'ny fahafatesana.

 

Jaona 4. 43-54

43 Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.

44 Fa ny tenan’i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin’ny taniny.

45 Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana ; fa izy ireo koa mba niakatra tamin’ny andro firavoravoana.

46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.

47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.

48 Dia hoy Jesosy taminy : Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.

49 Hoy ilay tandapa taminy : Tompoko, midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako.

50 Hoy Jesosy taminy : Andeha mody ; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.

51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.

52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy : Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy.

53 Koa fantatry ny rainy fa tamin’izay indrindra no ora nanaovan’i Jesosy taminy hoe : Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra.

54 Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.

 

Tsara hotadidiana :

Raha nanasitrana ny zanak'ilay tandapa Jesosy, dia nampiseho fa manana ny aina ao anatiny Izy, ary noho izany, manana ny fahefana rehetra handresena ny fahafatesana. Manoloana io fanasitranana mahagaga io, dia tokony ho nino ny vahoaka fa Izy, Jesosy, no Kristy. Indrisy fa ny tsy finoan'ny Galileana dia nahatonga an'i Jesosy hanakiana azy ireo hoe : "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy !"

Ho antsika ankehitriny, tsy hita maso ara-batana eto an-tany intsony Kristy, nefa misy fitahiana manokana ny finoana izay rehetra lazaina momba Azy ao amin'ny Baiboly, araka ny nambaran'Izy Tompo mihitsy hoe : "Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino" (Jaona 20. 29).

 

FIFANDIRANA TEO AMIN'I JESOSY SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY MOMBA NY SABATA

 

n  Tany Jerosalema, teo akaikin'ny farihy antsoina hoe Betesda (karazana dobo filomanosana), Jesosy dia nanasitrana lehilahy malemy iray, tamin'ny andro Sabata. Nampangain'ny Jiosy ho nandika ny Lalàna Izy, ka nanomboka teo dia notadiaviny hovonoina.

 

Jaona 5. 1-16

1 Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan’ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.

2 Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin’ny vavahadin’ondry, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.

3 Tao no nandrian’ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny maty ila.

4 Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano ; koa izay niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona no aretina nanjo azy.

5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telopolo taona.

6 Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy : Te ho sitrana va ianao ?

7 Ilay marary namaly Azy hoe : Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ny farihy ; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.

8 Hoy Jesosy taminy : Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.

9 Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.

10 Dia hoy ny Jiosy tamin’ilay efa sitrana : Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.

11 Fa ralehilahy namaly azy hoe : Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe : Ento ny fandrianao, ka mandehana.

12 Ary ireo nanontany azy hoe : Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe : Ento ny fandrianao, ka mandehana ?

13 Fa ilay sitrana tsy nahalala Azy ; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.

14 Rehefa afaka izany, dia hitan’i Jesosy teo an-kianjan’ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy : Indro, efa sitrana ianao ; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.

15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.

16 Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an’i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin’ny Sabata Izy.

 

Tsara hotadidiana :

Ny Sabata no andro farany amin'ny herinandro (izany hoe ny asabotsy). Midika hoe "fitsaharana" izany. Tamin'io andro io dia tsy niasa ny Israelita, ho fahatsiarovana ny nitsaharan'Andriamanitra rehefa avy nanao ny lanitra sy ny tany. Izao no voasoratra ao amin'ny Didy folo : "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito ; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito ; izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy (izany hoe natokany)" (Eksodosy20. 8-11).

 

Nefa dia andro Sabata indrindra no nanaovan'i Jesosy asa : nanasitrana lehilahy nalemy efa ho 38 taona Izy, tamin'ny teny indraim-bava fotsiny ! Io "asam-pahasoavana" tamin'ilay lehilahy mahantra io dia nampirehitra ny hatezeran'ireo mpitondra fivavahana jiosy, izay nitady ny hamonoana Azy nanomboka teo, "satria nanao izany zavatra izany tamin’ny Sabata Izy".

Nefa raha dinihina akaikikaiky kokoa, dia tsy nandika ny lalàna momba ny Sabata Jesosy, satria ny Lalàna dia tsy nanakana velively ny hanaovan-tsoa tamin'io andro io !

Ary Jesosy koa dia nisafidy ny hanao fahagagana tamin'ny andro Sabata, mba hampisehoany fa ny ota dia manakana tsy hisian'ny tena fitsaharana eto an-tany, hany ka Andriamanitra mihitsy, Izay nandidy ny hitandremana ny fitsaharan'ny Sabata, no voatery miasa hamonjy ny olona.

 

Fanamarihana

Ho antsika ankehitriny, dia tsy lalàna intsony ny manaja ny Sabata, satria tsy eo ambany Lalàna isika ; nefa hitantsika ao amin'ny Testamenta Vaovao (ao amin'ny Asan'ny Apostoly 20. 7) fa Andriamanitra dia nanendry andro iray, ny andro voalohany amin'ny herinandro, ny Alahady, andro nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty  —andron'ny Tompo Jesosy—  mba hanokanana io andro io ho Azy sy mba hivorian'ny kristiana manodidina ny Tompo, hahatsiarovana Azy sy hitsaohany an'Andriamanitra… " Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitoriteny taminy, fa nikasa handeha maraina izy ; dia naharitra nitoriteny mandra-pahamamatonalina izy…" (Asan'ny Apostoly 20. 7).

 

FIFANDIRANA TEO AMIN'I JESOSY SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY, SATRIA JESOSY NILAZA TENY MIDIKA HOE MITOVY AMIN'ANDRIAMANITRA IZY

 

n  Tamin'ny nanasitranan'i Jesosy ilay lehilahy malemy, dia nilaza Izy fa Andriamanitra no Rainy, ary ambarany amin'izany fa mitovy amin'Andriamanitra Izy. Izany dia mbola antony hafa indray koa itadiavan'ny mpitondra fivavahana hamonoana Azy.

 

Jaona 5. 17-20

17 Fa Jesosy namaly azy hoe : Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.

18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin’ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.

19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray ; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka.

20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany ; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.

 

n  Satria mitovy amin'Andriamanitra Izy, dia mihoatra noho ny fanasitranana no ataon'i Jesosy : mamelona ny maty Izy, manome malalaka ny fiainana mandrakizay.

Jaona 5. 21

21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany.

 

n  Satria Kristy no hitsara ny velona sy ny maty, dia tsy tokony hangataka andro ny olona rehetra, fa hanaja Azy. Ireo izay mino fa Jesosy no Ilay Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra, dia manana ny fiainana mandrakizay ao anatiny, ka manaja Azy amin'ny fony manontolo. Fa ireo izay tsy mino kosa, dia ho avy ny andro hahatonga azy ireo ho voatery hiankohoka eo anoloan'i Jesosy.

 

Jaona 5. 22-23

22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,

23 mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

 

n  Nanomboka tamin'ny nahatongavan'ny Kristy teto an-tany ka mandraka ankehitriny, ireo izay mandre ny feon'ny Zanak'Andriamanitra ka mandray Azy ao am-po dia manana ny fiainana mandrakizay.

 

Jaona 5. 24-27

24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.

25 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra ; ary izay mandre dia ho velona.

26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy ;

27 ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona.

 

 

Tsara hotadidiana :

Jesosy dia manana ny ain'Andriamanitra ao anatiny, aina omeny izay rehetra mino fa Izy, Jesosy, no Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra. Izay mandray izany ain'Andriamanitra izany, ny fiainana mandrakizay, dia ho any an-danitra. Tsy hiseho mba hotsaraina eo imason'Andriamanitra izy :

-         na amin'ny andro hitsarana ny velona eto an-tany, rehefa handray ny fanjakany arivo taona ny Kristy ;

-         na amin'ny andro fitsarana farany, rehefa homelohina ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay, dia ny helo, izay rehetra miseho eo.

 

Fanamarihana

Marina fa tsy hiseho eo anatrehan'Andriamanitra mba hotsaraina ny kristiana  —fitsarana ny velona eto an-tany (Matio 25. 31-46), fitsarana farany (Apokalypsy 20. 11-15). Nefa hiseho eo amin'ny tribonalin'i Kristy izy, araka ny voasoratra ao amin'ny 2 Korintiana 5. 10 hoe : "Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy". Io tribonaly io dia tsy natao hitsarana ny mpino, fa hampisehoana ny asany. Kristy Tompo no hitsara ny fandehantsika ka hamaritra ny valisoa.

 

AMBARAN'I JESOSY FA NY MATY REHETRA DIA HITSANGANA, SAINGY AMINA FOTOANA SAMY HAFA

n  Ambaran'i Jesosy fa hisy karazany roa ny fitsanganan'ny maty :

– fitsanganana ho fiainana, ho an'ireo izay nino fa Jesosy no Ilay Kristy, Ilay Mpamonjy  —tsy hisy homelohina izy ireo ;

– fitsanganana ho fahamelohana, ho an'ireo izay nandà tsy hino  —izy rehetra ireo dia homelohina.

 

Jaona 5. 28-29

28 Aza gaga amin’izany ; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ;

29 dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.

 

AMBARAN'I JESOSY FA TSY NY SITRAPONY NO ATAONY, FA NY AN'ANDRIAMANITRA RAINY

Jaona 5. 30

30 Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona ; araka izay reko no itsarako ; ary marina ny fitsarako ; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.

 

Fanamarihana

Io andininy faha-30 io, toy ny andininy faha-19 ihany koa, dia ampiasain'ny sekta sasany hilazana fa Jesosy dia tsy Andriamanitra. Raha ny marina anefa, dia mampiseho fotsiny ihany ny tena maha Olona lavorary Azy izany ; Jesosy dia Andriamanitra, "Andriamanitranaseho teo amin’ny nofo" (1 Timoty 3. 16), "Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay" (1 Jaona 5. 20).

 

FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA EFATRA MILAZA FA JESOSY TOKOA NO ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA, ILAY KRISTY EFA NAMBARA MIALOHA TAO AMIN'NY TESTAMENTA TALOHA

 

Na dia teo aza ny fahagagana nataon'i Jesosy sy ny teniny, dia tsy nino ny Jiosy fa Izy, Jesosy, no Ilay Kristy efa nambara mialoha tao amin'ny Testamenta Taloha. Ny namalian'i Jesosy ny tsy finoan'izy ireo dia fitanisana fijoroana ho vavolombelona efatra mahakasika Azy :

-         ny an'i Jaona Mpanao batisa ;

-         ireo asa nataony ;

-         ny an'ny Ray, Izay nilaza fa Izy no Zanaka malalany, tamin'ny nanaovana batisa Azy tao amin'ny ranon'i Jordana ;

-         farany, ny an'ny Soratra Masina.

 

n  Jaona Mpanao batisa, izay noraisin'ny vahoaka Jiosy ho mpaminany, dia nijoro ho vavolombelona fa Jesosy no Ilay Kristy.

 

Jaona 5. 31-35

31 Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.

32 Misy Anankiray Izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.

33 Ianareo naniraka tany amin’i Jaona, ary nanambara ny marina izy.

34 Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin’olona ; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.

35 Izy dia jiro nirehitra ka nazava ; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin’ny fahazavany.

 

n  Ireo asan'i Jesosy (ny fampianarany, ny fahagagana nataony, ny fiainany lavorary…) dia nanaporofo  fa Izy, Jesosy, no Ilay Zanak'Andriamanitra tonga amin'ny anaran'ny Ray.

 

Jaona 5. 36

36 Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona ; fa ny asa nomen’ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin’ny Ray.

 

n  Andriamanitra Izy tenany mihitsy no nanambara fa Jesosy no Zanany, raha niteny tamin'ny feo mahery Izy, nandritra ny batisan'i Jesosy, hoe : "Ianao no Zanako malalako" (Lioka 3. 22).

 

Jaona 5. 37-38

37 Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,

38 ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.

 

n  Ny Jiosy dia nanana ny Soratra Masina (ny Testamenta Taloha) ; ary ireo no manambara fa Jesosy, Ilay Lehilahy hitan'izy ireo maso, dia tena Ilay Kristy.

 

Jaona 5. 39-40

39 Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.

40 Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.

 

 

VOKATRY NY FANDAVANA FA JESOSY NO KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA

 

n  Na teo aza ireo fijoroana ho vavolombelona ireo, ny Jiosy dia tsy nandray an'i Jesosy ho Ilay Kristy, na ho Ilay Zanak'Andriamanitra tonga amin'ny anaran'ny Ray. Nefa kosa, ho vonona izy ireo handray ny irak'i Satana, ilay Antikristy, rehefa ho tonga amin'ny anarany izy io ary hiseho ho Kristy eo anatrehan'izy ireo.

 

Jaona 5. 41-43

41 Tsy mandray laza avy amin’olona Aho.

42 Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao am-ponareo.

43 Izaho dia avy amin’ny anaran’ny Raiko, nefa tsy raisinareo ; raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.

 

NY NANAKANA NY JIOSY TSY HINO FA JESOSY NO ILAY KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA

 

n  Hazavain'i Jesosy fa ny mahatonga ny Jiosy tsy hino dia satria izy ireo mitady ny voninahitra avy amin'ny olona sy ny fankasitrahany, fa tsy ny avy amin'Andriamanitra.

Jaona 5. 44

44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo ?

 

n  Ny Baiboly, ny Tenin'Andriamanitra voasoratra, no hanameloka, indray andro any, ireo izay tsy mino fa Jesosy no Ilay Kristy.

 

Jaona 5. 45-47

45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray ; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.

46 Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.

47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko ?

 

Fanamarihana

Mosesy (izany hoe, raha ny tena izy, ireo boky dimin'i Mosesy : Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deoteronomia) dia manao safeli-teny manambara an'i Kristy, amina  tsongan-dahatsoratra maro ao amin'ny Testamenta Taloha. Ohatra :

-         Genesisy 3.15 : ny teny fampanantenana hoe ny taranaky ny vehivavy dia hanorotoro ny lohan'ny menarana, manambara ny Kristy, Izay ho tarana-behivavy, ary handresy an'i Satana eo amin'ny hazofijaliana ;

-         Genesisy 6 : ny sambofiaran'i Noa, manambara ny Kristy Izay hiaro ny rehetra mino tsy hiharan'ny fitsarana, satria hampiakariny ;

-         Genesisy 22 : Isaka tokony natao sorona, nosoloina ondrilahy, manambara ny Kristy Izay ho faty hisolo toerana antsika ;

-         Genesisy 28. 10 : ny tohatr'i Jakoba, manambara ny Kristy, Ilay lalana mankany amin'Andriamanitra ; koa hoy ny Kristy Jesosy : "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako" (Jaona 14. 6) ;

-         Eksodosy 12 : ny zanak'ondrin'ny Paska, manambara ny Kristy ho Ilay "Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao" (Jaona 1. 29) ;

-         Eksodosy 16. 9 : ny mana, manambara ny Kristy, Izay ho mofon'aina, "ny tena mofo avy any an-danitra ... ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao" (Jaona 6. 32, 33) ;

-         Eksodosy 21 : ilay mpanompo notevehina sofina, manambara ny Kristy Izay hanompo an'Andriamanitra ho mandrakizay ;

-         Eksodosy 25 : ny tabernakely manambara ny Kristy Izay hasandratra any an-danitra, Kristy any an-danitra, Mpisoronabe, miasa ao amin'ny "tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao" (Hebreo 9. 11) ;

-         Eksodosy 25. 31 : ny fitoeran-jiro manambara ny Kristy Izay ho "fahazavan’izao tontolo izao" (Jaona 8. 12) ;

-         Nomery 21 : ilay menarana varahina manambara ny Kristy Izay hasandratra eo amin'ny hazofijaliana, mba hitondra amin'ny tenany ny fanamelohana sahaza ny fahotantsika ;

-         Deoteronomia 18. 15, izay hahitana hoe : "Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’i Jehovah Andriamanitrao ho anao ; izy no hohenoinareo" ; milaza tokoa izany fa Kristy no ho io Mpaminany io, JESOSY, IZAY TOKONY HOHENOIN'NY OLONA REHETRA.

 

AMBARAN'I JESOSY AMPAHIBEMASO FA IZY NO ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA, ILAY KRISTY EFA NAMBARA TAO AMIN'NY TESTAMENTA TALOHA

 

n  Nandritra ny toriteniny voalohany tao amin'ny synagoga tao Nazareta, tanàna niaviany, dia nambaran'i Jesosy mazava hoe Iza moa Izy : Ilay Kristy, resahin'ny Soratra Masina. Nolavina Izy ary noroahina hivoaka ny tanàna mba hovonoina.

 

N.B. : Ny synagoga dia toerana iray nivorian'ny Jiosy, isaky ny tanàna, indrindra ny andro Sabata, mba hamakiana ny Testamenta Taloha.

 

Lioka 4. 14-30

14 Ary Jesosy niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia ; dia niely tamin’ny tany rehetra manodidina ny lazany.

15 Ary Izy nampianatra teny amin’ny synagogan’ny olona ka nankalazain’izy rehetra.

16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy ; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.

17 Dia natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany ; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe :

18 “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko,

Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy ;

Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy,

Sy fampahiratana amin’ny jamba,

Hanafaka izay nampahorina,

19 Hitory ny taona ankasitrahin’i Jehovah” (Isa. 61. 1, 2).

20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’izay rehetra teo amin’ny synagoga.

21 Ary Jesosy niteny taminy hoe : Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.

22 Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy : Tsy Zanak’i Josefa va Ity ?

23 Ary hoy kosa Jesosy taminy : Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe : ‘Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao’ : izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ny taninao koa.

24 Ary hoy koa Izy : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy misy mpaminany izay ankasitrahina ao amin’ny taniny.

25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa : Maro no mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ny tany rehetra ;

26 nefa tsy mba nirahina ho any amin’ny anankiray tamin’ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’izay vehivavy mpitondratena.

27 Ary maro no boka teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza, fa Namàna Syriana ihany.

28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ny synagoga, raha nandre izany,

29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ny havoana niorenan’ny tanàna, mba hazerany amin’ny hantsana.

30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.

 

Fanamarihana

Ao amin'io tantara io dia noroahina avy tao amin'ny tanànan'i Nazareta Jesosy, ary saika novonoina Izy, satria nitory teny fahasoavana ; ny fahasoavana anefa dia manolotra famonjena avy amin'Andriamanitra irery ihany (tsy misy voninahitra ho an'ny olombelona), fa ny famonjena noho ny asa vita kosa, izay tadiavin'ny fivavahana rehetra, dia manome karazam-boninahitra ho an'ilay olona nanao asa.

 

n  Nailika sy noroahina avy tao Nazareta Jesosy, Ilay Kristy, ka nanorim-ponenana tao Kapernaomy (any Galilia, tanin’ny jentilisa), tao amin'ireo tsy noheverina ho Jiosy zato isan-jato, ary tsy nahalala an'Andriamanitra  —satria lavitra an'i Jerosalema, ilay ivon-toeram-pivavahana—  ka tao anaty haizina ara-toe-panahy. Tany Jesosy no niantso ho amin'ny fibebahana, mba hahafahana mametraka ny fanjakana.

 

Matio 4. 13-17

13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ny zaratanin’ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,

14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe :

15 “Ny tanin’ny Zebolona sy ny tanin’ny Naftaly,

Ao amin’ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana,

Galilia, tanin’ny jentilisa,

16 Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe ;

Ary izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana” (Isa. 8. 23 ; 9. 1).

17 Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitoriteny Jesosy ka nanao hoe : Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

 

n  Nampianatra tao amin'ny synagoga tao Kapernaomy Jesosy, ary nanasitrana lehilahy nitoerana fanahy maloto. Nasehony tamin'izany fa Izy no Kristy, Ilay manana fahefana sy hery handroaka ny fanahy maloto mampitahotra ny olona, mampijaly, manandevo sy mamotika azy ireo.

 

Lioka 4. 31-37

31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ny Sabata.

32 Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.

33 Ary nisy olona tao amin’ny synagoga, izay nanana ny fanahin’ny demonia maloto, dia niantso tamin’ny feo mahery izy

34 ka nanao hoe : Indrisy ! moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta ? avy handringana anay va Ianao ? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Ianao.

35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe : Mangìna ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.

36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe : Manao ahoana izao teny izao ! fa amin’ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.

37 Ary niely teny amin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.

 

Fanamarihana

Teny iray ihany no nolazain'i Jesosy mba handroahany ilay demonia ; tsy mila manao fombafomba saro-takarina hamoahana demonia Izy.

 

n  Ny jono mahagaga tao amin’ny Farihin’i Genesareta, izay nampisongadina ny fahefan'i Kristy, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, dia nahatonga an'i Petera ho resy lahatra tanteraka fa mpanota izy ary nahatonga azy hanaiky fa Jesosy dia Andriamanitra.

 

Lioka 5. 1-10

1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ny Farihin’i Genesareta Jesosy ;

2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy ; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.

3 Ary niditra teo amin’ny sambokely anankiray izay an’i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.

4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’i Simona : Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.

5 Fa Simona namaly ka nanao hoe : Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona ; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.

6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.

7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.

8 Ary rehefa hitan’i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy izy ka nanao hoe : Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.

9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ny hazandrano izay azony.

10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’i Simona.

 

n  Nambaran'i Jesosy tamin'i Petera ny asa hanirahany azy : hitarika olona hahafantatra Azy Jesosy, ho Ilay Kristy. Dia nandao ny zavatra rehetra i Petera, Jakoba ary Jaona.

Lioka 5. 10-11

Dia hoy Jesosy tamin’i Simona : Aza matahotra ; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.

11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy.

 

n  Jesosy dia manana hery sy fahefana amin'ny aretina : nositraniny ny rafozambavin'i Petera.

Marka 1. 29-31

29 Ary niaraka tamin’izay, raha nivoaka avy tao amin’ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.

30 Ary ny rafozambavin’i Simona nandry teo nanavin’ny tazo ; ary niaraka tamin’izay dia nilaza azy taminy izy ireo.

31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy ; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.

 

n  Nanasitrana marary maro Jesosy ary namoaka demonia.

Marka 1. 33-34

33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ny varavarana avokoa.

34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samihafa Izy sady namoaka demonia maro ; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.

 

Tsara hotadidiana :

Ny demonia (na fanahy ratsy) dia anjely nanaraka an'i Satana raha nikomy tamin'Andriamanitra izy, ary manosika ny olona hanao ratsy izy ireo ; indraindray izy dia mandrombaka ny fanahy sy ny vatan'ireo olona izay manjary antsoina hoe "demoniaka". Taorianan'ny nandroahan'i Jesosy ireo demonia, dia tsy navelany hiteny intsony izy ireo, satria tsy tiany ho izy ireo no hanambara Azy. Mampianatra antsika izany fa ny mpino dia tsy tokony hanan-draharaha amin'ny tontolon'ny fanahy baikoin'i Satana.

 

Lioka 4. 40-41

40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ny aretina samihafa dia nitondra azy teo aminy ; ary dia nametra-tànana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.

41 Ary nisy demonia nivoaka tamin’ny maro ka niantso hoe : Ianao no Zanak’Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.

 

Matio 8. 16-17

16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ny olona tany aminy ny demoniaka maro ; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,

17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe : “Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika” (Isa. 53. 4).

 

n  Nandao an'i Kapernaomy Jesosy ary nitety an'i Galilia niaraka tamin'ireo mpianany, mba hanambara amin'ireo tanàna hafa koa fa efa akaiky ny fametrahana ny fanjakan'Andriamanitra, ka tokony hibebaka izy ireo.

 

Marka 1. 35-39

35 Ary nifoha marainalinakoa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.

36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.

37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe : Ny olona rehetra mitady Anao.

38 Fa hoy kosa Izy taminy : Andeha isika hiala hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa ; fa izay no nahatongavako.

39 Dia nandeha Izy ka nitoriteny tao amin’ny synagogan’ny olona eran’i Galilia sady namoaka ny demonia.

 

Fanamarihana

Ny andininy 35 dia mampiseho amintsika fa na dia Andriamanitra aza i Jesosy, dia niaina sy nitondra tena tanteraka toa olona Izy ; nahery nivavaka Izy, indraindray aza ela dia ela tokoa, ary matetika raha mbola maizina ny andro. Ny faharetany mivavaka dia modely ho antsika !

 

n  Nanasitrana boka iray i Jesosy ; nandositra ny fitiavan'ny vahoaka Izy ka nitokana tany an-tany foana mba hivavaka.

 

Marka 1. 40-45

40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe : Raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.

41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe : Mety Aho ; madiova ianao.

42 Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.

43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’izay

44 ka nanao taminy hoe : Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza ; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy, ho vavolombelona amin’ireo.

45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy ; fa nitoetra tany ivelany tamin’ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

 

Fanamarihana

Tsy nitady izay laza avy amin'ny olona Jesosy, satria ny niriny dia ny hikasika ny fanahy sy ny fieritreretana. Izany koa no tokony hokatsahintsika rehefa mampiely ny Filazantsara ankehitriny.

 

Lioka 5. 15-16

15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin’ny aretiny.

16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an’efitra ka nivavaka.

 

Tsara hotadidiana :

Ny habokana dia aretina tsy hay nositranina tamin'izany fotoana izany, hany ka raha nisy fahasitranana, dia tsy maintsy hoe avy amin'Andriamanitra ihany. Ny fanasitranana ilay boka izany dia nikendry ny hanaporofo eo imason'ireo mpanapaka ara-pivavahana jiosy fa Jesosy dia tena avy amin'Andriamanitra : Izy no Kristy, Andriamanitra tonga eto an-tany, eo anivon'ny olona, noho ny fahasoavana, mba hamonjy sy hanasitrana. Koa rehefa nahita ny fahasitranan'ilay boka ny mpisorona, dia tsy maintsy niaiky fa Andriamanitra no tao amin'ny Jesosy  —na Jesosy mihitsy aza no Andriamanitra—, miasa eo anivon'ny Israely.

 

FIFANDIRANA TEO AMIN'I JESOSY SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY, MOMBA NY HOE : IZA NO AFAKA MAMELA HELOKA ?

 

n  Nony niverina tany Kapernaomy Jesosy, dia nanasitrana lehilahy malemy iray nentina ho eo aminy ary nampidinina avy teo an-tampontrano. Talohan'izany anefa dia nambarany tamin'ilay malemy fa navelany ny helony : nasehony tamin'izany fa ny asa voalohany nanirahana Azy eto an-tany dia ny hamela heloka. Koa nampirehitra ny hatezeran'ny Jiosy izany, ary nampangainy ho naniratsira an'Andriamanitra Izy, satria heverin'izy ireo fa Andriamanitra irery ihany no manana fahefana hamela heloka.

 

Marka 2. 1-12

1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,

2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan’ny varavarana aza ; ary Izy nitory ny teny taminy.

3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’efa-dahy.

4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ny trano nitoeran’i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ilay nararin’ny paralysisa.

5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe : Anaka, voavela ny helokao.

6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe :

7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany ? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra ?

8 Ary niaraka tamin’izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy : Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo ?

9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ilay mararin’ny paralysisa hoe : Voavela ny helokao, sa ny manao hoe : Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana ?

10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin’ilay mararin’ny paralysisa) :

11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.

12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra ; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe : Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.

 

Tsara hotadidiana :

Ny famelana heloka, ary koa ny fanasitranana, dia avy amin'i Jehovah, ao amin'ny Salamo : "Jehovah [no] mamela ny helokao rehetra, ... manasitrana ny aretinao rehetra" (Salamo 103. 3). Koa raha namela ny helok'ilay lehilahy malemy sy nanasitrana azy Jesosy, dia mampiseho fa Izy mihitsy no Andriamanitra, ary izany no nitarika, andaniny, ny fahatezeran'ny mpanora-dalàna izay niampanga Azy ho mpaniratsira, ary ankilany, ny fitolagagan'ny vahoaka, izay mankalaza an'Andriamanitra.

 

n  Nantsoin'i Jesosy mba ho mpianany i Levy mpamory hetra (antsoina ihany koa hoe Matio).

 

Lioka 5. 27-32

27 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra ; dia hoy Izy taminy : Manaraha Ahy.

28 Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.

29 Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’i Jesosy ; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.

30 Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ny mpianatr’i Jesosy ka nanao hoe : Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ?

31 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ;

32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.

 

Tsara hotadidiana :

Ny mpamory hetra dia Jiosy nanangona ny hetra omena ny mpanjanaka romana. Nohambanian'ny Jiosy izy ireo, nankahalainy mihitsy aza, satria noheveriny ho mpamadika tanindrazana. Nefa dia mpamory hetra no nantsoin'i Jesosy ho mpianany ! Ambonin'izany, neken'i Jesosy ny fanasan'io mpamory hetra io hisakafo any aminy ! Noho izany, ny Fariseo (fikambanana ara-pivavahana jiosy izay nifikitra mafy tamin'ny fomban-drazana) sy ireo mpanora-dalàna dia niampanga an'i Jesosy ho mifandray amin'olon-dratsy. Nefa novalian'i Jesosy izy ireo fa ny olona mila vonjy no karakarainy —ireo izay mahatsapa ny fahantrany ka te hibebaka amin'ny fahotany—, olona tsy toy ny Fariseo, izay nihevi-tena ho marina sy afa-po tamin'ny toetrany, ka tsy nahatsapa ho mila izany.

 

n  Adihevitra momba ny fifadian-kanina
Nandritra ny fisakafoanana tao an-tranon'i Matio mpamory hetra, dia nanontany an'i Jesosy ireo mpitondra ara-pivavahana hoe nahoana ny mpianany no tsy mifady hanina. Novaliany fa tsy tokony hifady hanina izy ireo, satria amin'izao fotoana izao dia mbola faly manana an'i Jesosy hita vatana eo afovoany, toy ny olona nasaina hanatrika fampakarambady, izay faly manana ny mpampakatra miaraka aminy.

 

Lioka 5. 33-35

33 Ary hoy izy ireo taminy : Ny mpianatr’i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.

34 Ary hoy Jesosy taminy : Mahay mampifady ny havan’ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra ?

35 Fa ho avy ny andro ; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izany andro izany vao hifady izy.

 

n  Zava-baovao no ambaran'i Jesosy : ny fivavahana kristiana dia hanolo ny fivavahana jiosy. Ny fivavahana kristiana dia hitondra fahafahana tsy ho afaka hifanaraka amin'ny fivavahana jiosy, izay fivavahana mifototra amina fombafomba, fandraràna, faneriterena. Ny hanazavan'i Jesosy izany dia ny fanoharana momba ny lamba vaovao sy lamba tonta, momba ny divay vaovao sy ny siny tonta.

 

Lioka 5. 36-39

36 Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe : Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta ; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ny tonta.

37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta ; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra ;

38 fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.

39 Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao ; fa hoy izy : Ny ela no tsara.

 

Tsara hotadidiana :

Ampisehon'i Jesosy fa ny fahasoavana nentiny (kisarisarin'izany ny lamba vaovao sy ny divay vaovao —ny fivavahana kristiana) dia tsy afaka hifanaraka amin'ny Lalàna (kisarisarin'izany ny lamba tonta sy ny siny tonta —ny fivavahana jiosy), ilay rafitra henjana notadiavin'ny Jiosy hohazonina. 

Ny fivavahana kristiana sy ny fivavahana jiosy dia tsy afa-miara-dalana. Noho izany, ny kristiana dia tsy tokony hanaiky hotarihina "ho jiosy", izany hoe hankatò ny fombafomba sy ny faneriterena ao amin'ny Lalànan'i Mosesy, na lalàna hafa, izay manolo ny fiainam-panahy amina fivavahana tsy misy aina, feno fitsipika fotsiny, mikendry izay hahazoana ny fankasitrahan'Andriamanitra.

Hazavain'i Jesosy tokoa fa ny olombelona, amin'ny maha izy azy, dia tia kokoa ny lalàna (ny divay taloha) izay mitaky asa, ka manome lanja ny nofo, noho ny fahasoavana (ny divay vaovao), izay mihevitra ny mpanota ho olona very, tsy manan-kery, ka tonga mba hamonjy azy.

 

FIFANDIRANA VAOVAO INDRAY TEO AMIN'I JESOSY SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY, MOMBA NY SABATA IHANY

 

n  Indray Sabata (asabotsy) dia namakivaky tanimbary ny mpianatra. Noana izy ireo ka nanongotra salohim-bary kely hohanina. Tezitra ny Fariseo, satria araka ny fandraisan'izy ireo ny Lalàna dia tsy azo natao ny zavatra toy izany tamin'io andro io.

 

N.B. : Rehefa kosehina amin'ny tanana ny salohim-bary (varimbazaha no resahina eto), dia voasaraka amin'ny ampombo ny voam-bary ka azo hohanina. 

 

Matio 12. 1-7

1 Tamin’izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ny Sabata ; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.

2 Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy : Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ny Sabata.

3 Ary hoy Izy taminy : Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,

4 fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany ?

5 Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ny lalàna va fa amin’ny Sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny ?

6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.

7 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe : “Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra” (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

 

Marka 2. 27-28

27 Ary hoy Izy taminy : Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata ;

28 ka dia Tompon’ny Sabata aza ny Zanak’olona.

 

Fanamarihana

Rariny tokoa raha hanan-danja teo amin'ny Jiosy ny fanajana ny Sabata, satria Andriamanitra no nandidy izany : "Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito ; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany" (Eksodosy 20. 10). Izany no nahatonga an'i Nehemia ho tafintohina tamin'ny fitondrantenan'ireo rahalahiny izay niasa tamin'ny andro Sabata, ka hoy izy : "Ary tamin’izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samihafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin’ny andro Sabata ; dia nananatra azy mafy aho" (Nehemia 13. 15). Na izany aza, eto amin'ity tantara ity, tena nanao zava-dratsy, mendrika hohelohina tokoa ve ireo mpianatr'i Jesosy, izay noana tamin'ny andro Sabata ka nioty salohim-bary vitsivitsy hohanina ? TSIA !

 

Tsara hotadidiana :

Raha ny marina, ireo mpitondra fivavahana jiosy, izay nandany andro hitsikilovana ny olona mandika lalàna, dia tsy nahalala ny tena maha Izy Azy an'Andriamanitra, Izay fitiavana. Ilay Andriamanitra tsara sy be famindrampo dia miteny amin'ny zanany hoe : "Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra", ary mampianatra azy ireo, amin'izany, hamindra fo sy ho tsara fanahy amin'ny namana, toy ny ataon'Andriamanitra amin'ny olona mpanota.

Ry kristiana, Ilay Andriamanitra tompointsika dia Andriamanitra tsara sy mpamindra fo. Noho izany, isika ihany koa, amin'ny fotoana rehetra, dia tokony hampiseho fahamoram-po sy famindrampo amin'ireo namantsika. Ary ny fanaovana izany rahateo no antony ilazana antsika hoe manana an'Andriamanitra ho Ray. "Koa amin’izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra" (Matio 5. 48).

 

n  Tamin'ny andro Sabata iray hafa, dia nositranin'i Jesosy ny lehilahy iray maty tanana ankavanana ; nifandinika ny Fariseo sy ny Herodiana mba hamonoany Azy.

Lioka. 6. 6-11

6 Ary nony tamin’ny Sabata hafa koa dia niditra tao amin’ny synagoga Jesosy ka nampianatra ; ary nisy lehilahy anankiray maty tànana ankavanana tao.

7 Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin’ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.

8 Fa Jesosy nahalala ny hevitr’ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tànana hoe : Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.

9 Ary hoy Jesosy tamin’ireo : Manontany anareo Aho : Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ny Sabata, sa ny manao ratsy ? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina ?

10 Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe : Ahinjiro ny tànanao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.

11 Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin’izay hanaovany an’i Jesosy.

 

Marka 3. 6

6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’izay dia niray tetika tamin’ny Herodiana izy hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy.

 

Tsara hotadidiana :

Tamin'io fanasitranana tamin'ny andro Sabata io, dia nasehon'i Jesosy miharihary ny tena toetran'ireo mpitondra fivavahana jiosy : ratsy fanahy sy jamba, hany ka tsy afaka hifaly tamin'ny nanasitranana lehilahy iray teo anivon'izy ireo ! Manoloana izany faharatsian-toetra izany, izay mifanohitra amin'ny fon'Andriamanitra —Ilay Andriamanitra nihambon'ireo manampahefana ara-pivavahana ireo hoe tompoiny !—, dia nanambara tamin'ny fomba manetriketrika Jesosy fa azo atao tokoa amin’ny Sabata "ny manao soa, ... ny mamonjy aina".

Raha ny marina, toy ny efa hitantsika matetika, dia tsy tantin'ny mpitondra fivavahana jiosy ny hanehoan'ny Kristy fahasoavana sy fahamoram-po amin'ny andro Sabata, satria rehefa zohina, dia ny fahasoavana mihitsy no tsy nilain'izy ireo.

Ambonin'izany, rehefa nanolotra fahasoavana toy izany Jesosy, tamin'ny andro Sabata, dia nampiseho fa amin'ny maha Kristy Azy, dia ambonin'ny rafi-pivavahana jiosy Izy, ary noho izany ambonin'ny Sabata, na dia nolavin'ny Jiosy aza izany : "Ka dia Tompon’ny Sabata ny Zanak’olona" (Marka 2. 28).

 

n  Manoloana ny fandavan'ny Jiosy tsy hanaiky fa Izy, Jesosy, no Ilay Kristy, dia niala Izy nankany amin'ny Ranomasin'i Galilia (antsoina ihany koa hoe Ranomasin'i Tiberiasy). Tany Izy dia nanasitrana vahoaka avy any amin'ny manodidina an'i Tyro sy Sidona (Liban amin'izao fotoana izao), ary nasehony tamin'izany fa misy vahoaka hafa ankoatra ny Israely, izay manaiky fa Izy, Jesosy, no Ilay Kristy, ka mametraka ny fanantenany aminy.

 

Matio 12. 15-21

15 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo.

Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra ;

16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,

17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe :

18 “Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko,

Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra ;

Hapetrako ao aminy ny Fanahiko,

Ary hitory ny rariny amin’ny jentilisa Izy ;

19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy ;

Ary tsy hisy handre ny feony any an-dàlana ;

20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro,

Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona,

Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy ;

21 Ary ny anarany no hitokian’ny jentilisa” (Isa. 42. 1-4).

 

Marka 3. 7-12

7 Ary Jesosy mbamin’ny mpianany niala teo ka nankany amin’ny ranomasina ; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy ; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia

8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin’i Jordana ary tamin’ny tany manodidina an’i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.

9 Ary Izy nilaza tamin’ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan’ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.

10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.

11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy, dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe : Ianao no Zanak’Andriamanitra.

12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.

 

Tsara hotadidiana :

Ny tsy finoan'ny Jiosy no mahatonga azy ireo tsy hanaiky fa Jesosy no Ilay Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra. Nefa dia tena izany tokoa Jesosy, ary na ny demonia aza dia manaiky izany ; saingy "nandrara azy mafy Izy [Jesosy] tsy hanao izay hahafantarana Azy", satria tsy tiany ho i Satana na ireo anjeliny no hanambara Azy.

 

n  Nivavaka tany an-tendrombohitra iray alina manontolo Jesosy, ary taorianan'izany dia nifidy mpianatra roa ambin'ny folo. Tamin'izany safidiny izany no nampisehoany fa Izy irery ihany no afaka miantso olona hiaraka aminy, mba hirotsaka hanao ny asany.

 

Lioka 6. 12-16

12 Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka ; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy.

13 Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,

14 dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartolomeo

15 sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,

16 sy Jodasy, zanak’i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, ilay tonga namadika.

 

n  Nirahin'i Jesosy ireo mpianany 12 lahy : ny tsy maintsy toriny dia ny hoe Jesosy no Ilay Kristy nambara mialoha tao amin'ny Testamenta Taloha, ary tsy izay ihany, fa hoe efa manakaiky ny fanjakan'ny lanitra. Ireo mpianatra ireo no nomeny ny fahefana ilaina hanatanterahana izany iraka goavana izany.

 

Matio 10. 1, 5-18

1 Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra.

5 Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesosy ka nodidiany hoe : Aza mandeha any amin’ny làlan’ny jentilisa, ary aza miakatra amin’izay tanànan’ny Samaritana,

6 fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely.

7 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe : Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia ; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ny fehikibonareo,

10 na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina ; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny.

11 Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay mendrika ao ; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.

12 Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.

13 Koa raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo ; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.

14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.

15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma sy Gomora amin’ny andro fitsarana noho ny ho amin’izany tanàna izany.

16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia ; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.

17 Ary mitandrema ianareo noho ny amin’ny olona ; fa hatolony ho amin’ny Synedriona (fitsarana ara-pivavahana jiosy) sy hokapohiny ao amin’ny synagogany ianareo ;

18 ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa.

 

 

n  Mampitandrina Jesosy : mitondra fahoriana ny atao hoe mpianatr'i Kristy.

Matio 10. 19-23

19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo ; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo.

20 Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo.

21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany ; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.

22 Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako ; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

23 Ary raha manenjika anareo amin’ny tanàna anankiray ny olona, dia mandosira ho any amin’ny hafa ; fa lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Israely ianareo tsy akory mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.

 

n  Hisy valisoa voaomana ho an'ny mpianatra mitoetra ho mahatoky, izany hoe, na rehefa tonga aza ny fizahan-toetra, dia tsy mandà fa Jesosy no Kristy.

 

Matio 10. 24-42

24 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.

25 Fa ampy amin’ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba (izany no anarana nomen'ny Jiosy ny lehiben'ny demonia, izany hoe i Satana), tsy mainka va ny ankohonany ?

26 Koa amin’izany aza matahotra azy ianareo ; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

27 Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava, ary izay ren’ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ny tampon-trano.

28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy ; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo (toerana misy ny fijalijaliana mandrakizay).

29 Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa ? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.

30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.

31 Koa aza matahotra ; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

32 Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.

33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.

34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho ; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny ;

36 ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).

37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.

38 Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.

39 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy ; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.

40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy ; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.

41 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany ; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ny olona marina.

42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka ihany aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

 

Matio 11. 1

1 Ary rehefa vitan’i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan’ny olona.

 

Fanamarihana

Ny voalaza, indrindra manomboka amin'ny andininy faha 16  —"Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia ; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala"—, dia mampiseho fa ny asa nasain'ny Tompo atao dia tsy ho an'ny lasa ihany, ho an'ireo mpianatra 12 lahy, fa ho amin'izao andro izao koa, ary ho amin'ny andro ho avy mihitsy aza.

 

Tsara hotadidiana :

Nampianarin'i Jesosy ny mpianany, ary ny mpino rehetra aorianan'izy ireo, fa hisy olana hianjady amin'izy ireo amin'ny asa fanompoany, rehefa ho voailika tanteraka Izy.  "Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra " (and 24), ka tsy afaka hanantena horaisina tsaratsara kokoa noho izy. Koa izay tena mpianatra marina dia tokony hanampo hifanehatra amina fanoherana toy ny nahazo an'i Jesosy, Ilay Kristy, Ilay Mpampianatra, avy amina tontolo ratsy sy tsy marina. Nefa izany dia hahatonga azy hahatsapa ny fikarakaran'ny Ray (Izay manisa na ny volon-dohantsika aza !), ary hiaina ny fiadanana sy ny loharanon-kery omeny izay rehetra mitoky aminy.